Fikambanan'ny Mpamaky Teny Antso Mahatoky Fenoarivo - MTAMF
Ny MT-AMF dia fikambanana nijoro teto anivon’ny Fitandremana Antso Mahatoky Fenoarivo, ny 23 martsa 2025. Izy no fikambanana zandriny indrindra raha araka ny vanimpotoana.
Tanjona
Fampitana ny Soratra Masina amin’ny alalan’ny vakiteny: Marina, Mazava ary Miaina
Mpitondra ny hafatr’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Soratra Masina.
Hampiroborobo sy fanomezan-danja ny fampitàna ny hafatry ny Tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Soratra Masina.
Hanofana sy hampiofana ireo mpikambana ho mpamaky teny mahay, araka izay efa nampianarana.
Mandray anjara eo anivon’ny Fiangonana amin’ny famakiana teny soratra Masina.