
Ny Fikambanan’ny Diakona sy Loholona dia fikambanana mitambatra ahitana ireo mpanompon’Andriamanitra voatendry ho diakona sy loholona eto amin’ny sahan’ny fiangonana FJKM.
Ny diakona sy loholona dia antsoina ho “mpanompon’Andriamanitra sy mpiara-miasa amin’ny Mpitandrina”, ka amin’ny alalan’ity fikambanana ity dia tiana ny hanamafisana ny fifandraisana sy ny firaisan-kina ho fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fampandrosoana ny asan’ny Fiangonana.
Eto amin’ny Fitandremana Fenoarivo dia ahitana 90 eo ireo mpikambana izay ahitana tarika (telo) na vondrona 3.
Tanjona sy vina
Hanabe sy hanofana ny diakona sy ny loholona mba hahavita tsara ny andraikiny amin’ny fiangonana.
Hampiroborobo ny fifandraisana sy fiaraha-miasa eo amin’ny fiangonana sy ny rafi-pitantanana ao amin’ny FJKM.
Hanampy amin’ny fanatanterahana ny iraka lehibe: “Mitory ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy ho famonjena izao tontolo izao.”
Hampivelatra asa sosialy sy asa fitoriana amin’ny sehatra samihafa: fanampiana, fampandrosoana, fanabeazana ary fanompoam-pivavahana.

FDL
Antso Mahatoky Fenoarivo
“Fa izay lehibe aminareo dia aoka ho mpanompo anareo.” Mat 23:11
Asa sy hetsika
Fampiofanana sy fanentanana ara-panahy ho an’ny diakona sy loholona.
Fivoriana sy fifampizaràna amin’ny ambaratonga isan-karazany (fiangonana, synodam-paritany, foibe).
Asa fitoriana sy fanampiana ara-tsosialy.
Fandraisana anjara amin’ny fanohanana ny asa sy ny hetsika nasionaly ao amin’ny FJKM.