Rafitra eo anivon’ny Fiangonana mba entina hitaizana sy hanolokoloana ny finoan’ny Kristiana.

Ho fanatsarana sy fanamafisana ny fanompoam-pivavahana dia miroso amin’ny Ezaka Dabilio ny Fiangonana. Tanjona amin’izany ny hanavao ireo dabiliom-piangonana mba hahafahan’ny mpino rehetra mivavaka sy mandray ny Tenin’Andriamanitra ao anatin’ny filaminana sy ny fahamendrehana.
Ny dabilio dia tsy fitaovana fotsiny ao am-piangonana, fa toerana iombonan’ny fiangonana amin’ny vavaka sy ny fanompoana an’Andriamanitra. Koa ny fandraisana anjara, na lehibe na kely, dia anjara biriky sarobidy ho fampandrosoana ny Tranon’Andriamanitra sy ho lova tsara ho an’ny taranaka mifandimby.
Isaky ny Alahady maraina, ankoatra ny fotoan-dehibe na fety manokana
Fidirana: 9Ora maraina
Fianarana arahina manokana mialohan'ny fandraisana ho Mpandray ny fanasan'ny Tompo.
Fidirana manaraka: Martsa 2026
Fianarana ny tenin'Andriamanitra, mba ahatonga ny olona rehetra handray ny teny soa mahafaly ka hiainany.
Fidirana : 7Ora30
Fidirana 2025 : 14 Septambra
Isan-karazany ny zava-maneno ampiasaina eto anivon'ny Fiangonana. Afaka mifandray amin'ireo tompon'andraikitra raha maniry ny ampitombo talenta.
Ireo iray volan'ny Faritra, Alahadin'ny Sampana sy Fikambanana eto amin'ny Fitandremana
Ny fiofanana BATISA, MARIAZY dia miresaka mivantana amin'ny Mpitandrina