Ny Sampana Lehilahy Kristiana dia fikambanan’ny lehilahy ao amin’ny FJKM, mivondrona mba hanamafy ny finoana sy hanatanteraka ny asa fanompoana ho an’ny Tompo sy ny Fiangonana.
Ao anatin’ny Sampana dia ahitana tanora sy olon-dehibe.
Hitory ny filazantsara amin’ny lehilahy rehetra mba hahatonga azy ho Lehilahy Kristiana mpitarika mahomby, handray andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo, ka mba ho « LEHILAHY LEHIBE MAHATRATRA NY OHATRY NY HALEHIBEN’NY FAHAFENOAN’I KRISTY » (Sal. 22 : 22 ; Efes. 13:4).